Hankalazaina amim-pomba ofisialy amin'ny Sabotsy 08 Aogositra ho avy izao ny faha-30 taonan'ny Fiangonana Apokalipsy Manerantany na ny FAM. Etsy amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina no hanaovana ny hetsika rehetra mifandraika amin'izany izay hotarihin'ny Raiamandreny am-panahy Pastera Mailhol mivady. Mihoatra ny 50.000 isa ireo olona andrasana ho avy amin'izany raha 45.000 isa ny seza azo hampiasaina ao amin'ny kianjan'i Barea. Tafiditra ao anatin'io ny mpino rehetra eo anivon'ny Fiangonana. Toraka izany koa ireo mpino avy amin'ny Fiangonana zandriny hafa, ny olon-tsotra, ireo mpandala ny fomban-drazana....Miantso ny rehetra ho tonga maraina Pastera Mailhol noho izany mba tsy ho sanatria hameno ny sisin'arabe ireo izay tsy mahazo toerana. Tsiahivina moa fa manga sy fotsy ny lokon'akanjo hiasa amin'io andro io. Hanao fotsy avokoa ny lehilahy raha manga ny an'ny vehivavy. Tsy manakana ireo tsy mañana tsy ho avy ihany koa anefa izany. Fotoam-pivavahana lehibe hisaorana sy hiderana an'Andriamanitra no hameno ny fotoana ny tapak'andro maraina raha hitohy amin'ny fety hotanterahin'ny isam-paritra izany ny hariva. Hofaranana amin'ny fandefasana afomanga ny lanonana, raha tsy misy ny sampona.
Pati
Légende : Hanehoan'ny Fiangonana Apokalipsy ny tanjany tahaka izao ny fahafenoany ny kianjan'i Barea !