airtel

Finoana

17-mars-2025

Faha 40 taonan’ny SAMPATI FJKM Tanjombato

Hetsika hira fiderana no ho fanokafana ny fankalazàna

Sample post image

Hetsika hira fiderana no ho fanokafana ny fankalazàna ny faha 40 taonan’ny

17-mars-2025

SAMPATI FJKM Tanjombato Maritiora na Sampana mpanazava sy tily ny tolakandron’ny alahady 30 martsa 2025 izao manomboka amin’ny 2 ora sasany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Teny filamatry ny Sampana mpanazava sy tily Andriafo faha 92 moa, raha ny fanazavàna, ny hoe «Aza mamihina ny soa amin’izay tokony omena azy raha azon’ny tananao atao ihany!». Tenin’ny soratra masina nalaina tao amin’ny Baiboly, ao amin’ny Ohabolana 3 : 27 izany. Ny tarika Vavaka hira fiderana na VHF sy ny antoko mpihira The singers of Jesus kosa no handray anjara ao anatin’izay hetsika fiderana izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique