airtel

Finoana

04-janv-2023

Finoana

Fahalasanan’ny Papa Benoit XVI Miombon’alahelo amin’ny Katolika ny Apokalipsy

Sample post image

Miombon’alahelo tanteraka amin’ireo fianakaviamben’ny Eglizy Katolika ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany tarihin’ny pastera Mailhol Andre Christian Dieudonné amin’izao fahalasanan’i Papa Benoit XVI izao.

04-janv-2023

Mafibe ilay fifandaozana an-tany sy ny aina misaraka hoy pastera Mailhol no sady olona tso-po, tsara fanahy nahay nifandray tamin’ny olon-drehetra ihany koa i Papa Benoit XVI ka mendrika ny hotsarovana manokana. Manamafy izany hoy izy ny voalazan’ny soratra masina hoe : miaraha mifaly amin’izay mifaly ary miaraha ory amin’izay ory. Notsiahiviny moa fa maro tamin’ireo fampianarana nataony no nampitain’i Papa Benoit XVI tamin’ny mpino ary niteraka vokatsoa ho an’ireo nandray izany. Zanaky ny Eglizy Katolika moa i pastera Mailhol, izay namolavola sy nahatonga azy ho olom-banona raha araka ny fanazavany hatrany.
FAMARANANA NY FAHA-25 TAONA
Mikasika ny fiangonana Apokalipsy manokana dia fantatra fa hofaranana amin’ny Sabotsy 07 Janoary ho avy izao ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny Radio Fanambarana, Radio Kristiana voalohany nitorian’ny pastera Mailhol ny tenin’Andriamanitra sy nampitomboany ny ambaindahin’ny filazantsara nentina namonjena fanahin’olona maro teto amintsika. Fotoam-pivavahana lehibe hotanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe no hanamarihany izany amin’io andro io. Mialohan’izany anefa dia hisy ihany koa ny fitokanana ny studio-n’ny Radio Fanambarana vaovao eny Atsimondrova ny andron’ny Zoma 06 Janoary. Manaraka ny fenitra sy ny fandrosoan’ny teknolojia tokoa ity studio vaovao ity izay marihina fa hametrahana ny televiziona Apokalipsy eto Antananarivo atsy ho atsy.
Pati
Legende : Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy anisan’ireo zanaky ny Eglizy Katolika tamin’izany fotoana ihany koa
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap