airtel

Finoana

20-avril-2023

Finoana

FAMARANANA NY RAMADANY Nanome sakafo ho an’ny sahirana 400 isa ny AHMADIYYA

Sample post image

Mahatsapa ny fahasahiranan’ny mpiara-belona aminy ireo mpino Mozilimana mivondrona ao amin’ny Association Mozilimana Ahmadiyya de Madagascar etsy Andavamamba.

20-avril-2023

Betsaka ireo tsy mahita hohanina mandavan-taona noho ny hasarotan’ny fiainana hoy izy ireo omaly, antony nizarany fanampiana ho an’ireo olona 400 isa teto Antananarivo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny famaranana ny ranadany ny hetsika, didy napetraky ny mpaminany masin’ny fivavahana Islam i-Hadhrat Muhammad Mustafa. “Fitrana” no anarana nampitondrainy io hetsika io mba hahazoan’ny mpiara-belona sy Andriamanitra Andriananahary fifaliana. Tsy nisy fanavahana moa ny fizarana izany fanampiana izany na ara-poko na ara-pinoana fa saika nahazo avokoa ny rehetra ao anatin’ilay teny filamatr’izy ireo manao hoe : fitiavana ho an’ny rehetra, tsy misy fankahalana na iza na iza. Nahitana vary 3 kg, siramamy 1 kg ary spaghetti 2 fonosana izany. Ankoatra ireo sahirana eto Antananarivo moa dia nahazo ny anjarany ihany koa ny tany Fianarantsoa, Manakara, Toliara ary ny Faritr’i Melaky.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana omaly tetsy Andavamamba!

 

Dans la même rubrique