tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Finoana

Fampisehoan’ny Taratry ny mazava Iantsoana ny Malagasy rehetra tsy hanavahana finoana

Fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara, hoy ny voalazan’ny baiboly ao amin’ny Korintianina 9: 16, hoy ny mpitarika ny antoko mpihira Taratry ny mazava, Ralaiarimanana,

04-nov-2022

Sample post image

no lohatenin’ny fampisehoana lehibe tontosainay etsy amin’ny Esca Antanimena ny 20 novambra hoavy izao. zava-dehibe io fampisehoana io, hoy izy, satria elaela tsy nihaonantsika teto Antananarivo taorian’ny hahamehana ara-pahasalamana, ny rivodoza, ny fotoan-tsarotra nandalovan’ny firenentsika. Izao isika efa afaka amin’ny Covid sy afaka mifaly indray ka dia vonona hanome ny soa sy ny tsara rehetra ny Taratry ny mazava. Amin’io ihany koa no amoahana ny rakikira faha 6, izay ahitana hira miisa 10. Ny malagasy rehetra no antsoina fa tsy hanavahana antokom-pinoana. Hiavaka noho izay efa hita rehetra ny fampisehoana amin’ity na eo amin’ny lafiny sehatra na hazavana ary haharitra ora 3 sasany eo ny fampisehoana amin’io tolakandro nefa miankina amin’ny ambiansy ao ihany moa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Finoana Katolika Nhazo Arseveka vaovao i Antananarivo
06-juin-2023

Ofisialy nanomboka omaly, fa nankatoavin’ny Papa Fransoà izay Lehiben’ny Katolika Romanina maneran-tany ny

Card image cap
Hetsika Jesosy manasitrana Hanova ny fiainan’Antananarivo, hoy ny mpikarakara
06-juin-2023

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny kianjan’i Maki Andohatapenaka, haharitra 5 andro ilay hetsika Jesosy Manasitrana, karakarain’ny Fiangonan’ny Finoana sy ireo fiangonana zandriny maro isan-tsokajiny.

Voir plus