sosialy omaly 17 aprily, ka nanamafy an-taratasy fa andro tsy iasana kanefa handraisan-karaka ny andron’ny 21 aprily izao, izay fetin’ny “Eid Al-fitr” araka ny finoana silamo. Mihatra ho an’ny rehetra manerana an’I Madagasikara io andro tsy iasana io na mpino silamo na tsia. Notsiahivina tao anatin’io fampahafantarana io rahateo fa araka ny andininy faha-2 amin’ny didim-panjakana laharana faha 2023-007 tamin’ny 02 febroary 2023 teo, izay mamaritra ny lisitry ny andro tsy hiasana fa handraisan-karama ho an’ny taona 2023, dia nambara fa tafiditra ao anatin’izany ny Eid Al-Fitr sy Eid Al Adha, araka ny tetiandro nofaritan’ny Fikambanamben’ny silamo. Ny taratasy faha-36/FSM/BN/PR/2022 izay nataon’ny Filohan’ny Fikambanana Silamo Malagas no namaritra sy nanamafy fa io datin’ny 21 aprily 2023 io noraiketina ho andron’ny Eid Al-Fitr, izay fotoan-dehibe ho an’ireo mpino silamo, manamarika ny fifaranan’ny ramadany.
Toky R
Tanterahina manomboka anio 21-24 septambra isaky ny amin’Ny 2ora tolakandro eto Antananarivo eny amin’ny