airtel

Finoana

09-oct-2023

Finoana

FFKM “Atsaharo ny fampiasan-kery, hajao ny zo maha olona”

Sample post image

Tontosa teny Ampandrana ny sabotsy 7 Oktobra 2023 ny fanombohana ny fampihaonana ireo solontenan ireo

09-oct-2023

kandida ho filoham-pirenena notarihin’ny FFKM. Isaorana ireo kandida 13 izay samy nahatonga solontena tamin’izany, hoy io rafitra ara-pinoana io. Taorian'ny fanompoam-pivavahana niraisana dia nisy ny fampahafantarana ny anton'ny fampihaonana, izay miomparna amin’ny hisian'ny fitoniana, mialohan' ny hirosoana amin'ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana. Tsy araka izany anefa no nitranga ny sabotsy teo satria niaraha-nahalala nifanandrify tamin’ity fihaonana ity mihitsy no nisy ny herisetra sy habibiana nihatra tamin’ireo vahoaka sy ny kandida nanao diabe am-pilaminana. Rehefa neken'ny rehetra ny fitarihan'ny FFKM ny fanelanelanana, dia nanao sonia ny fankatoavana ny tanjon'ny fampihaonana, ny tetiandro, ny fomba fiasa sy ny fitsipika hifampifehezana, ny solontenan 'ireo kandida 13, hoy kosa ny FFKM. Antoka hahatomombana hatramin'ny farany izao dinika irosoana ho amin'ny fikatsahana vahaolana izao, ny fisian'ny fitoniana eto amin'ny firenena. Noho izany ny FFKM dia manamafy hatrany ny antso efa natao, hanaja ny zo maha-olona, hampitsahatra tsy misy hatak' andro ny fampiasan-kery sy ny fifandranitana amin'ny endriny rehetra. Mbola hitohy amin'ny alatsinainy 09 Oktobra 2023 ny fampihaonana, koa manentana antsika hitrotro izany am-bavaka hatrany, hoy ny FFKM tarihin’ireo Filoham-piangonana 4 mirahalahy. Nisolo tena ny kandida Andry Rajoelina ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina sy ny Talen’ny Tetikasan’ny Filoha teo aloha Augustin Andriamananoro. Ity farany izay nilaza fa tokony hisy ny fepetra hisian’ny fitoniana hizorana amin’ny fifidianana. Raha misy korontana dia tsy mety amin’ny firenena, ary isaky ny krizy dia lasibatra ny vahoaka, potika ny fihariana,… hoy izy. Nilaza fa tokony hiara-hanao tan-tsoroka hizorana amin’ny fifidianana. Niaraha-nahita anefa, ny herisetra sy fandatsahan-dra nataon’ny mpitandro filaminana izay eo ambany fibaikoan’ny governemanta napetrak’I Andry Rajoelina. Nisintaka tamin’ny fifampidinihana ho an’io indray mitoraka io moa ny solontenan’ny HVM notarihin’Atoa Rivo Rakotovao satria tao anatin’ny fifampidinihana izay tokony hisian’ny fitoniana sy fiaton’ny herisetra, kanefa ireny niaraha-nahita ireny ny tamin’ny sabotsy. Nivoaka ihany koa ny solontenan’ny kandida Paraina Auguste dia ny depiote mba hanehoana fa tsy mifanandrify amin’ny eritreritr’izy ireo ny zavatra nitranga satria tsy ao anatin’ny herisetra no tokony hisian’ny vahaolana. Hitohy amin’ireo kandida indray ny fampihaonana!
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap