airtel

Finoana

30-août-2023

FFKM_Fiainam-pirenena sy fifidianana

“Mila fiombonana sy fahamarinana isika”

Sample post image

Nanomboka omaly hatramin’ny 01 septambra ny Fihaonamben’ny FFKM tanterahina eny amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy.

30-août-2023

Lohahevitra ifantohan'ny fihaonana ny hoe : "Fiangonana manorina sy mamboly eto amin'ny Firenena". Nihalohavan’ny Fihaonana teny amin’ny Fofikri sy tany amin’ny Faritra 37 izany, ary izao mitohy amin’ny Fihaonambe Nasionaly. Haharitra telo andro ity fihaonambe ity, izay andraisan’ny fikambanana, fiarahamonim-pirenena, sendika ary antoko politika anjara. Mialohan’izay anefa, dia ny raharaha anatin’ny FFKM no nisantarana azy, ka tanjona voalohany ny oekiminisma na firaisam-pinoana hanatrarana ilay tanjona hoe: “mba ho iray ihany izy rehetra”. Lafiny faharoa kosa ny fihaonambe mba hametrahana amin’ny toerany tsara ny andrimaso FFKM, izay manana iraka roa mazava: hanao fanabezana ny olom-pirenena vanona mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra sy ny fampianaran’ny fiangonana, ary faharoa izay efa mandeha ankehitriny dia ny fiatrehana ny fanaraha-maso ny fifidianana satria nahazo taratasy ara-dalàna milaza fa mpanara-maso ny fifidianana eto Madagasikara ny FFKM, hoy ny Filohan’ny FFKM Mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa. Io mpitandrina io izay nitondra hafatra, fa manana Fahefana hiteny ny Fiangonana, na misy mihaino na tsy misy. Fahefan'ny Mpaminany no nomen' Andriamanitra ny Fiangonana. Manana Fahefana handrava ny Fiangonana. Manana Fahefana hanangana ihany koa. Tanjona ny hampanjakana ny fahamarinana, ary tsy misy afatsy izany, raha ny nambarany. Natomboka tamin’ny raharaha anatin’ny FFKM noho izany ity Fihaonambe ity, ary anio alarobia tolakandro kosa no fandaharam-potoana voafaritra fa hanasana ireo antoko politika, mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena isan-tsokajiny,… Hanokatra sehatra ahafahan’ny Malagasy mifampihaino sy miteny ihany koa ny FFKM. Henatra raha isika Malagasy no tsy mahita vahaolana eo amintsika Malagasy amin’ny olantsika samy Malagasy. Voalaza moa fa isan’ireo hihaona amin’ny FFKM ireo Filoha teo aloha, ny filoha am-perin’asa, ireo kandida ho Filoham-pirenena,… Hisy noho izany ny fehin-kevitra lehibe havoakan’ny FFKM ao anatin’izao Fihaonambe nasionaly izay hanasany ireo mpikatroka politika izao. Maro ireo mpanao politika sy mpisehatra amin’ny raharaham-pirenena nanatrika ny fanokafana ity Fihaonambe Nasionaly ity omaly.
Toky R

Sary indrana
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap