airtel

Finoana

05-déc-2023

FFKM sy ny fiainam-pirenena

Hamaritra paikady hanabeazana ny olom-pirenena

Sample post image

Notanterahana tao amin’ny EEM Katedraly Santa-Marka Fosarato-Fianarantsoa

05-déc-2023

ny 27-30 novambra lasa teo ny Komity Foibe faha-45 ho an’ny FFKM. Fotoan-dehibe nandinihana lohahevitra maro, toy ny fanatsarana ny fiainana anatin’ny FFKM, fanamafisana ny Eokiminisma, fanatsarana ny fitantanana ny vola sy ny fananana,… Ho an’ny fitantanana ny FFKM izay miodina isan-taona amin’ireo Filoham-piangonana 4 mirahalahy, dia ny mifanarana ny fotoam-piasan’ny Filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ami, ka ny Filohan’ny FLM Pastora Dennis Rakotozafy indray no hitondra izany ao anatin’ny herintaona. Hatao ny alahady 21 janoary ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fifamindram-pahefana. Momba ny raharaham-pirenena kosa, mitohy ny asan’ny FFKM amin’ny fampianarana sy ny fampiharana ny tenin’Andriamaninatra miorina amin’ny lohahevitry ny ny “Fiangonana manorina sy mamboly”, ary ny hoe: “Sambatra ny mpampihavana fa izy no atao ho zanak’Andriamanitra”, fampihavanana miorina ao amin’I Jesoa kristy sy ny fahamarinany, hoy ny tatitra. Ezahana ho fampianarana iombonana no iainana ao anatin’izany ka atao mipaka amin’ny rafitra rehetra, ny sampan’asa rehetra, ny faritra rehetra. Hiantso ny zanany rehetra izay manam-pahaizana momba ny lalàna handinika ny tsy fitovian-kevitra, hamaritra paikady mazava ho fanabeazana ny olom-pirenena izay ampianarina eo anivon’ny FFKM ny Andrimaso izay eo ambany fitarihan’ny Birao Foibe, ampirisihana ny fiangonana rehetra hanao 5minitra ho fanabeazana ny olom-pirenena ary entanina ny fiangonana hanandratra vavaka ho an’ny firenena isaky ny amin’ny 8ora alina,… Ankoatra ny lamina anatin’ny FFKM sy ny fiainam-pirenena ankampobeny, dia nitondra hafatra fampaharezana ny kristianina rehetra amin’izay mety fahasarotana atrehana amin’izao fotoana izao ny FFKM, ka nilaza fa aoka tsy hataotra hiaro ny marina. Nanentana ny rehetra mba hitondra am-bavaka ny firenena, ary hijoro ho fanasin’izao tontolo izao ka heady amin’ny fahalovana eo anivon’ny ankohonana sy ny fiarahamonina ary ny firenena. Nisy ihany koa ny fanentanana ny fanentanana ny Fiangonana rehetra hanatanteraka herinandro fiaraha-mivavaka amin’ny 18-25 janoary 2024.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Ho eny amin'ny Fjkm Gileada Malaza, kaominina Andoharanotsy ny tarika TDL ny datin'ny

Card image cap
28-mai-2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

Card image cap