airtel

Finoana

22-mai-2026

FFKM

Vonona hijoro sy hitarika ny fikaonandoham-pirenena

Sample post image

Nanamafy ny FFKM tamin’ny alalan’ny filohany

22-mai-2026

fa vonona ho elanelam-panahy hitarika ny fikaonandoham-pirenena ity rafitra ivondronana fiangonan-dehibe miisa 4 eto Madagasikara ity, raha namarana tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana tetsy amin’ny EKAR Antanimena ny diniky ny FFKM nandinihana ny raharaha anatiny sy ny raharaham-pirenena. « Vonona ny FFKM hijoro sy hitarika ny fikaonandoham-pirenena », hoy ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Nomarihiny, fa ho an’ny Malagasy rehetra ny fikaonandoham-pirenena fa tsy ho an’ny FFKM samirery. Manomana, mandrindra, mandamina, ary mandravona ny hevitra tapaka ny FFKM ao anatin’izany. Miantso ny sokajin’olona rehetra handray anjara hanamafisana ny fihavanana. Nisy fotoana nandritra ny volana maromaro nafahana nandinika sy namakafaka ary namadibadika ka vonona tanteraka ny FFKM amin’izao fotoana hitarika sy handrindra ny fikaonandoham-pirenena. Hinoana fa tsy mihemotra intsony isika amin’ny fanantanterahana izany fa ny rehetra dia mpandray anjara avokoa, hoy hatrany ny filohan'ny FFKM. Miainga eny ifotony ny fakan-kevitra hatao ka nanamafisana ny antso ho an’ny rehetra handray anjara. Tonga nanotrona ny famaranana ny fihaonambe nokarakarain’ny FFKM moa ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany sy ankolafin-kery ara-politika samihafa. Raha ny fandaharam-potoana nofaritan’ny fitondram-panjakana dia hanomboka ofisialy ny 03 jona 2026 ho avy izao ny fikaonandoham-pirenena. Andrasana izay mety ho endrika isehoany sy ny fiavahany amin’ireo dinika sy fanelanana politika nisy hatramin’izay.
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

Tena zava-dehibe ny fiantsoana ny ankolafin-kery rehetra»

Card image cap