airtel

Finoana

16-août-2022

Finoana

Fiangonana Anglikanina WAC Toamasina “Atsaharo ny fanaratsiana anay ankitsirano”

Sample post image

Namoaka fanambarana ireo lohan’ny mpisorona ao anatin’ny Fiangonana Anglikanina Mikambana ao anatin’ny Fikambanamben’ny Anglikanina maneran-tany WAC (Worldwide Anglican Church)

16-août-2022

manoloana ny resaka an-gazety iray milaza fa “secte” ny Anglikanina ao Toamasina. Miisa 14 ireo mpitarika ao anatin’io Fiangonana io no nanasonia izany, nahitana ny Rev LEVOAVY Joseph, Rev TONGASOA, Rev SOLOFOSON Emmanuel, Rev LERCIA, Rev VELONJARA Théogene, Rev RAKOTO Jean de Dieu, Rev TODY Nalison, Rev ANDRIANANTENAINA Franck Jean Dhel, Rev RASETA Modeste Frederic, RANDRIANANTENAINA Zepherin, Revb SOA Roline, Rtoa TALATA Germaine, Rtoa RALALANIAINA Rose Herline, ary Rtoa SOAMIAINA Elisabeth. “Diso ny filazana fa tsy Anglikanina ity Fiangonana Anglikanina misy anay ity. Taratry ny Fiangonana Anglikanina Reniny nipoitra tao Foulpointe tamin’ny 27 aogositra 1864, nitarihin’ny Rev JOHN Holdin sy ny Prof. WILLIAM Hey, araka ny fifamotorana ara-panjakana nisy hatramin’izay (RAVAVALOMANJAKA, JENERALY GALLIENI…) sy ny tahirin-kevitra nisy voarakitra ary eo am-pelanantananay, araka ny Gazety Boky Anglikanina Tantara sy Hevitra N°43 tamin’ny jolay 1918, hoy ireo mpitarika. Manana “récépissé” mazava tsara mitondra ny laharana N°060/Dist/Toa II/Ass ihany koa ka ahafahany milaza mazava tsara ho ren-tany ho ren-danitra fa misy ary mijoro sady velona soa aman-tsara ny Fiangonana Anglikanina izay nanjavozavo teo ho eo, ka izany dia ahafahanay mampandroso ny fianonanay, hoy hatrany ny fanambarana. Izany ihany koa, hoy izy ireo, no nahafahanay nanafatra ny Raiamandreninay The Most Rev Patriach Dr Lwanga Tusubira Christopher izay tonga namangy teto Madagasikara ny 19 jolay-02 aogositra 2022 lasa teo. Momba ny foto-pinoana, nanipika ity Fiangonana ity fa ny Fiangonana Anglikanina eto Madagasikara tarihin’izy izay miray ao anatin’ny Fikambanamben’ny Anglikanina maneran-tany dia mandà ankitsirano ny fampianaran-diso amin’ny laffiny rehetra, toy ny fanekena ny mariazin’ny olona mitovy fananahana dia ny lahy sy lahy na vavy samy vavy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap