fivoriana ny filazantsara ny Fiangonana Centre Parole Vivante tarihin'ny Révérend Dimy Andriason nanomboka omaly Alakamisy 07 Aogositra. Haharitra 4 andro ny fotoana hijanonan'izy ireo eto an-tanindrazana mandray anjara amin'ilay kaonferansa lehibe mitondra ny lohanteny hoe : kaonferansan'ny afo sy ny fahagagana. Eny amin'ny CPV Antsavatsava Itaosy no hanatanterahan' izy ireo izany hampianarana ny olon-drehetra ny fiainana miaraka amin'i Jesosy ao anatin'ny fandraisana ny afon'ny Fanahy Masina sy ny fahagagana. Nambaran'ny Pastera Mahery Andriason mpitantana ny Fiangonana eto Antananarivo fa nahazo maimaim-poana izy ireo dia mizara maimaim-poana. Tanjon'ny mpikarakara ny hahatonga ny olon-drehetra hanolo-tena ho an'Andriamanitra. Tsy hanavahana Finoana na sokajin'olona rahateo ity kaonferansa ity fa natao ho an'ny rehetra.
Pati