airtel

Finoana

12-janv-2023

Finoana

Fiangonana FJKM Hivavaka ho an’ny firenena etsy amin’ny Coliseum

Sample post image

Toy ny fanao isan-taona dia ny alahady 15 janoary izao indray no hifampitaona etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fianakaviamben’ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM.

12-janv-2023

Ankoatran’ny fiarahabana noho ny fahatrarana ny taom-baovao sy fitondrana am-bavaka ny filohan’ity fiangonana ity, ny mpitandrina Dr Andriamahazosoa Irako Ammi, sy ny ankohonany dia fotoana ihany koa io hitondrana am-bavaka ny fiainam-pirenena amin’ity taona 2023 ity. Hanomboka amin’ny 7 ora maraina moa ny fotoana, raha ny fampitam-baovao voaray. Efa misy ihany koa ny fandaminana mikasika izany ka dia manentana ny vahoaka malagasy fa tsy voatery ho ny mpino FJKM ihany ho tonga maro eny an-toerana, noho izany, ireo tomponandraikitra mba ho voninahitr’Andriamanitra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Ho eny amin'ny Fjkm Gileada Malaza, kaominina Andoharanotsy ny tarika TDL ny datin'ny

Card image cap
28-mai-2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

Card image cap