airtel

Finoana

11-août-2021

Finoana

Fiangonana FJKM Mety hafampana ny Synoda Lehibe faha-19

Sample post image

Fotoan-dehibe ho an’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara na ny FJKM ity herinandro ity.

11-août-2021

Tanterahina any Sambava manomboka anio 11 aogositra hatramin’ny alarobia 18 aogositra mantsy ny Synoda Lehibe andiany faha-19 ho an’ny FJKM. Tokony ho tamin’ny taona 2020 io satria ny taona 2016 ny synaoda lehibe tany Antsirabe, saingy nahemotra ho amin’ity taona ity noho ny fisian’ny valanaretina coronavirus. Maro ny fandaharam-potoana mandritra io synoda lehibe io, toy ny fifidianana ireo rafi-pitantanana eo anivon’ny Birao Foibe sy ny Mpiandraikitra Foibe miisa 110 eo, ka isan’ny lehibe indrindra ny fifidianana izay ho Filoha mpitarika ny FJKM ao anatin’ny 4 taona manaraka. Re hatreto fa mety mbola hirotsaka ny Filoha am-perin’asa Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina izay isan’ireo tonga voalohany tany Sambava niaraka tamin’ireo ekipany.
METY HAFAMPANA NY ANY SAMBAVA
Roa andro nialohan’ny fanombohan’ny Synoda lehibe any Sambava io no nivaly ny fitoriana nataon’ny Mpitandrina avy ao any amin’ny FJKM Mahabo Fanantenana ao anatin’ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana dia ny Mpitandrina Nestor Razafindramanitra. Nitory ny FJKM izy noho ny fanesorana azy tamin’ny toerany fa hoe : tsy manana fahefana hanao izany intsony Mpiandraikitra Foibe satria efa tapitra ny fe-potoana iasany. Nilaza ho tsy mahefa anefa ny Fitsarana ny 09 aogositra teo, izay midika fa naharesy ny FJKM. Ity Mpitandrina ity, izay nesorina tamin’ny toerany, ka resaka fitantanana ara-bola no antony, raha ny loharanom-baovao. Raha ny loharanom-baovao azo antoka avy ao anatin’ny FJKM hatrany, dia ny Fivoarian'ny Mpiandraikitra Foibe, izay ao anatin’ny antanatohatra ambony mpanapa-kevitra eo anivon’ny FJKM no nanapaka ny 28 jona ny fampiatoana azy, rehefa natao ny fifidianana, ka 15 no tsy nankasitraka ary 51 kosa nanaiky. Ny 22 jolay no voalaza fa nahazo io fampahafantarana na “notification” io ity Mpitandrina ity, izay midika fa tsy ao amin'ny synodam-paritany intsony. Ny 30 jolay anefa dia mbola nitarika fotoana teny amin’ny FJKM Isotry izy, fotoana izay handehan’ny mpitandrina hisotro ronono. Ny 31 jolay dia teny amin’ny FJKM Ambohibao Antehiroka, teny Antananantanana Betela ny 5 aogositra. Noho izy efa nesorina tamin’ny toerany anefa, dia misy ny fanamarihana fa tsy tokony ho afaka hanao izany intsony izy. Tsy isan’ireo afaka ny hiatrika ny synoda lehibe na “synodiste” ihany koa taorian’ny “notification”, hoy ny fanamarihana, saingy voalaza fa lasa any Sambava ihany ity Mpitandrina iray izay nitory ny FJKM ity. Mety hafampana noho izany ny Synoda Lehiben’ny FJKM eo anatrehan’io raharaha Mpitandrina Nestor Razafindramanitra efa nesorina sy nitory ny FJKM, saingy voalaza fa niazo an’i Sambava io, ary misy ireo mpitandrina mety manohana azy, hoy ny loharanom-baovao azo antoka.Hahay hifandamina ve ny FJKM sa sanatria hifandramatra ka hizara roa na telo tahaka ny efa hita tany amina antokom-pinoana hafa.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap