airtel

Finoana

09-janv-2023

Finoana

Fiangonana Jesosy Mamonjy Miverina manao asa sosialy, efa milamina

Sample post image

Mafana dia mafana ny resa-politika eto amintsika ankehitriny. Na izany aza nanambara pastera Raymond Randrianatoandro,

09-janv-2023

tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano fa tsy miditra amin’ny raharaha politika izy ireo fa mivavaka ho an’ny mpitondra kosa. Mivavaka ho an’ny mpiray tanindrazana ihany koa mba hilaminan’ny firenena. Mikasika ny fivavahan’izy ireo manokana dia nanambara izy fa efa milamina tanteraka ny ao an-toerana amin’izao fotoana izao. Nisy ny fivavahana notanterahin’ireo mpino ny Sabotsy 07 Janoary teo narahin’ny fizarana fitafiana sy hani-masaka ho an’ireo mponina monina ao amin’ny Fokontany Ankorondrano Atsinanana. Ho fanamarihana ny fahatongavan’ny taona vaovao 2023 no antony no sady ho fanatontosana ny tenin’Andriamanitra ihany koa izay milaza fa mety sy tsara ny mizara sy manome ho an’ireo tsy manana. Niarahan’ny fiangonana niasa tamin’ny Fokontany Ankorondrano Atsinanana moa ny nahafahana naka ireo olona sahirana sy kamboty an-jatony ireo izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Raha araka ny fanazavan’ity pastera ity hatrany moa dia efa 3 na 5 volana izao no nilaminan’ny fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Ankorondrano.
Pati
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap