airtel

Finoana

19-oct-2023

FIANGONANA JESOSY MAMONJY

Nakaton’ny Fanjakana ny ao Ambatofinandrahana

Sample post image

Nakaton'ny fanjakana omaly hariva ary nofefeny tsy afaka mivoha (scellé) ny fiangonana Jesosy Mamonjy

19-oct-2023

ao Ambatofinandrahana renivohitra. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia niady an-trano ny mpiangona ny Alahady teo 15 Oktobra lasa teo ka nisy mihitsy ny naratra. Vaky ra hatramin'ny pastera tonga handamina hoy hatrany ny vaovao. Mbola saika raikitra indray ny ady omaly hariva, antony tsy maintsy nandraisana ny fahapahan-kevitra. Ny an-daniny nandrangaranga antsy be tao am-piangonana ka niezaka nanelanelana ny zandarimariam-pirenena sy ny sefo distrika. Ny ankilany kosa niezaka ny ho tony ihany hoy ny vaovao saingy tsy nahazaka ihany koa ka voatery nakatona omaly hariva ny fiangonana. Andrasana moa izay mety ho tohin’ity raharaha ity. Raha araka ny loharanom-baovao hatrany dia resaka ady fahefana no manosika ireo mpino eo anivon’ny fiangonana hifamono tahaka izao.
Pati
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

Card image cap