airtel

Finoana

03-avril-2023

Finoana

Fiangonana Jesosy Mamonjy Nohidiana vonjimaika ny eny Tsarahonenana

Sample post image

Taorian’ny sakoroka niseho ny sabotsy 25 martsa sy ny alahady heriny lasa teo teny amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy etsy Tsarahonenana,

03-avril-2023

nandray fanapahan-kevitra nanakatona vonjimaika io toeram-pivavahana io ny Prefen'Antananarivo araka ny taratasy navoakany ny 28 martsa teo. Nakatona tanteraka ny fiangonana nanomboka afak’omaly, ary tsy nisy ny fotoam-pivavahana omaly alahady. Nanao fanambarana kosa ireo mpino mpivavaka ao amin'ny Jesosy Mamonjy Tsarahonenana fa tsy maintsy hivavaka izy ireo, ary ataony eo an-tokontanim-piangonana. Nisy noho izany ny filanjan’izy ireo miantefa amin’ny mpitandro filaminana hoe: “ny jiolahy enjehina, fa aza ny fiangonanay no akatona”. Mbola tohin'ny fifidianana ny filankevim-pitantanana teo anivon’ny Jesosy Mamonjy foibe hatrany moa ny raharaha. Ny avy amin’I Pasitera Raymond no voalaza fa nandefa iraka hametraka amboletra mpitandrina tao Tsarahonana, nitondra fitaovana famakian-trano, saingy nisy ny sakoroka tamin’ny herinandro ambony. Vokany io niafara tamin’ny fanakatonana io. Etsy andaniny, misy ireo mpino milaza fa Ankorondrano tsy nohidina nefa nisy korontana, Anosibe tsy nohidina nefa nisy vono sy fikasihan-tanana,… fa Tsarahonenana nankatona satria notafihina jiolahy, hoy izy ireo. “Satria ve tsy azon’i Raymond dia nakaton’ny Prefektiora sy tena tsabahany tanteraka ny Fiangonana Jesosy Mamonjy ary miandany tanteraka amin’ny ankilany?”, hoy ireo mpino sasany etsy Tsarahonenana. Andrasana ny tohiny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Miezaka manapariaka ny fanasana mikasika ny tetikasa Tazana ho tontosaina eny amin’ny

Card image cap
27-mars-2024

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

Card image cap
27-mars-2024

Ho fanamarihana ny andro Paska 2024 dia hanana endrika manokana ny Antsa Paska

Card image cap