airtel

Finoana

28-oct-2021

Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy “Manan-kasina ny aina, tsy azo ekena ny ITG”

Sample post image

Nanao fanambarana tetsy amin’ny foibeny etsy Isoraka omaly ny Fiangonana Loterana Malagasy fa ny FLM izay tarihin’ny filohany, ny pastora Dr Denis Rakotozafy sy ireo birao foiben’ny Fiangonana Loterana rehetra miaraka

28-oct-2021

 amin’ireo sampana rehetra eo aminy ary ireo synodam-paritany miisa 25 mirafitra aminy, manoloana ny tolo-dalana mikasika ny ITG na “interruption thérapeutique de grossesse”, fanalan-jaza izay aroso eny amin’ny antenimieram-pirenena sy loholona dia manao ambony ny voambaran’ny soratra masina mikasika ny aina sy zo fototra maha olona ny FLM. Ny etikan’ny FLM dia tsy miainga amin’ny kolontsain’ny manodidina na manara-drenirano fotsiny ny zava-misy maneran-tany, hoy izy ireo. Mifototra hatrany amin’ny fitsipi-piainana sy fitondran-tena amin’ny alalan’ny soratra masina voasoratra anatin’ny boky maha izy azy ny Fiangonana Loterana Malagasy ao amin’ny pejy faha 10 sy 11. Andriamanitra no niavian’ny aina, araka ny Salamo 139: 13 manao hoe “Fa ianao no nahary ny aiko ho voako, namolavola ahy tao an-kibon-dreniko ianao.” Na dia eo aza izany, ny FLM dia manaiky fa nomen’Andriamanitra fahalalana ny mpitsabo izay nataony hanatanteraka ny asa fiahiana ny ain’olombelona sy ny asa fanasitranana ary famelomana aina. Ny mpitsabo dia efa manana fitsipika mifehy azy sy ny lalànan’ny fitsaboana ary manaja ny aina araka ny fianianana nataon’izy ireo. Aoka tsy asiana lalàna misalovana ny asan’ny mpitsabo! Aoka kosa hanatanteraka ny asany araka izay fahalalana malalaka omban’ny fahendrena omen’Andriamanitra azy ireo mpitsabo ireo! Ny fametrahana lalàna momba ny ITG dia midika fanalalahana sy fanomezan-dalana ny IVG na “interruption volontaire de la grossesse” eto amin’ity tanindrazantsika ity. Ny fametrahana lalàna momba izany dia tsy mametraka azy ho tranga manokana na “exception” intsony fa fanokafam-baravarana ho amin’ny fanalalahana ny fanalan-jaza eto Madagasikara mihitsy na inona na inona fanazavana. Ny FLM sy ireo voalaza rehetra teo ambony dia tsy mankasitraka ny fandaniana io tolo-dalàna kasaina ho laniana sy hampiharina eto amin’ny firenena io satria tsy mifanaraka amin’ny fanajana zo sy hasin’ny maha olombelona, hoy hatrany ny FLM. Araka ny fanazavan’ny filohan’ity fiangonana ity moa dia misy fanajana an-tanan-tohatra mialohan’ny hanaovana fanambarana toy izao ka rehefa azo ny antontan-kevitra rehetra dia feno ny fepetra rehetra hahatongavana amin’izao fanambarana izao. Efa manana boky mikasika ny fanalan-jaza koa amin’ny ankapobeny ny FLM, hoy hatrany ny pastora Dr Denis Rakotozafy. Mialohan’ny FLM moa dia efa samy nilaza ny tsy fankasitrahany ity resaka ITG ity avokoa ny Katolika (EKAR) sy ny FJKM ary ny mpino Silamo eto Madagasikara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique