nandritry ny 15 taona sy nitandrina tamina fiangonana miisa 9 nifandimby dia Ambohimahazo sy ny fitandremana miaraka aminy, Amboatavo koa toy izany, Tsarafara, Ambanindriana, niverina indray tao Amboatavo, Ambohimandroso ny Pastora Jeannette Ravaosolo na Neny Jeannette, hoy ny fampitàm-baovao mikasika ny fanamarihana izany voaray omaly. Nitana farany ny kolejy pastoraly teto amin’ny foiben-toerana Ambohimandroso gara koa aho, hoy ity Pastora namarana ny asany, izany hoe, nisantatra fisotroan-dronono, tao Ambohimandroso ity. Na izany na tsy izany, hoy izy, dia aina no fetra, raha ny mikasika ny fitoriana ny filazantsaran’ny famonjena amin’ny alalan’ny FLMN no resahina satria na dia ho minitra 5 aza sisa omena ahy eto an-tany dia mbola ho ataoko izany. Mirary ireo zandry sy zanaka ihany koa hahavita be noho ny tena, hoy ihany izy.
Nangonin’i J. Mirija
Hetsika hira fiderana no ho fanokafana ny fankalazàna ny faha 40 taonan’ny