airtel

Finoana

27-mars-2024

Fiangonana naorin’ny Malagasy voalohany

Mankalaza ny faha-130 taonany ny Misiona FMTA

Sample post image

Mankalaza ny faha-130 taona niorenany niainga tany amin’ny 1894 ny Fiangonana FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky)

27-mars-2024

ao Ambatonakanga. Teo Antsampanimahazo na Ambatonakanga ankehitriny no niorenan’ny Fiangonana voalohany teto Madagasikara ny 1822 tamin’ny alalan’ny LMS (London Missionary Society) David Jonhns sy Griffits. Vaky 2 ny taona 1894 ka nitsangana ny fiangonana tsy miankina tamin’ny vahiny voalohany tamin’ny alalan’ny Mpitandrina Rajaonary izay novolavolain’ny LMS noho ny fanirian’ny Malagasy hitondra sy hahaleo tena nanoloana ireo misionera vahiny, raha ny fanazavan’Atoa Mbato Ravaloson Filohan’ny fandraharahana ny tahiry sy ny vakoka eo anivon’io fiangonana io. Raha nisy ny fisarahana dia tsy noho ny foto-pinoana fa noho ny rafitra satria Fiangonana Protestanta Calviniste ihany ny FMTA, hoy Ravelomanantsoa Herinjato, mpiofana ho mpitandrina. Hizara 3 ny taom-pankalazana ka hisy ireo fanokafana, ivony, ary ny famaranana. Ny Alatsinainy 01 aprily 2024 izao ny fanokafana iarahan’ny mpitandrina iray manontolo sy ny manam-pahefana isan-tsokajiny. Ny 14 aprily kosa ny fanokafana manerana ny FMTA manerana ny Nosy. Amin’ny 2025 no hatao ny famaranana raha sitrapon’Andriamanitra mba hampipetraka ho herintaona ny taom-pankalazana, ka betsaka ny zavatra heverina hatao tsangam-bato. Tsangam-bato ara-panahy ny hivoizana ny soatoavina FMTA: “ny asa soa, fitiava-namana, fahamarinana, fahamasinana” mba hipaka sy ho fiainan’ny kristianina, hoy ny Mpitandrina Andrianary Roberto Thierry, Filohan’ny fankalazana ny faha-130. Tsangam-bato faharoa kosa ny fanatanterahana ny famitana ny ivon-toeram-piofanana izay atao eny Ambohimidana Ampitatafika. Manentana ny zanaky ny Misiona handray anjara mavitrika amin’izany ireo Raiamandrenin’ny Fiangonana. Voalaza fa manodidina ny 250 eo ny fiangonana FMTA manerana ny Nosy, ary manodidina ny 48000 ireo mpino. Momba ny disadisa tany amin’ny faramparan’ny 2023, dia heverina ho savorovoroan-kilataona ary heverina ho toy ny famakivakiana ny tany efitra 40 taona kanefa tsy maintsy ho tafiditra ao amin’ny tany Kanana ny zanak’Israely, ka toy izany no hiheveran’izy ny Misiona FMTA sy ny filaminana, hoy ny fanazavan’ny Mpitandrina Andrianary Roberto Thierry.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap