airtel

Finoana

30-août-2022

Finoana

Fiangonana vahao ny oloko Manatanteraka kongresy hidirana anaty fahamatorana

Sample post image

Manatanteraka kongresy na fihaonam-be etsy amin’ny trano fivavahana Vahao ny oloko etsy amin’ny By pass avokoa nanomboka omaly ireo pastera eo anivon’ity fiangonana ity manerana ny Nosy.

30-août-2022

Anisan’ny hiompanan’ny dinika hifanaovana mandritra izany raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana Randriarimalala, filoha mpanorina ny fiangonana ny hahafahana miditra lalindalina kokoa ao anatin’ny fahamatorana. Lohalaharana amin’izany ny fitantanana ny fiangonana nefa eo ihany koa ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra. Somary nisinisy ihany mantsy ireo fiangonana nanana olana teto amintsika tato ho ato. Izany indrindra no nanosika ny trano fivavahana Vahao ny oloko hifanofana sy hifampianatra ary indrindra hifampizara traikefa eo amin’ny samy izy ireo hisorohana ny olana mety hitranga. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra no nanokafana ny fotoana. Nandritra izany ihany koa no nanavaozan’ireo mpitandrina isanisany ny fanoloran-tenany teo anatrehan’Andriamanitra mba hisy hainga vao vaovao indray eo am-panatanterahana ny asany. Haharitra andro vitsivitsy moa ity kongresy ity.
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap