airtel

Finoana

07-oct-2021

Finoana

Fiangonana vahao ny oloko Notokanana omaly ny fotoam-bavaka eny amin’ny By pass

Sample post image

Na dia efa herin-taona ny nisiana aza ilay toeram-pivavahana vaovao an’ny fiangonana Vahao ny oloko etsy amin’ny By pass dia omaly vao notokanana ny fotoam-bavaka hotanterahina ao amin’izany.

07-oct-2021

 Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy niderana an’Andriamanitra no nanokafana izany notarihin’ny pastera Heritiana Randriarimalala. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony fa niainga tamin’ny tsy nisy izy ireo tamin’ny fananganana ity foto-drafitrasa ity. Tena manana ny kajiny Andriamanitra hoy izy ary tsy azo ferana amin’izany. Hisy tsy tapaka araka izany ny fotoam-bavaka eny an-toerana. Ankoatra izay dia hisokatra ho an’ny mpino rehetra tsy an-kanavaka ihany koa ilay centre de loisir ao an-toerana. Tanjona raha araka ny fanazavan’ny pastera Heritiana ny hanalana ireo mpino tsy hiaroaro amin’ireo mbola mihosona anaty fahotana toy ny fisotroan-toaka…. rehefa miala voly.
Pati

 

Dans la même rubrique