airtel

Finoana

02-févr-2022

Finoana

Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara Hanomboka hankalaza ny herinandron’ny fianakaviana

Sample post image

Nataon’ny Foibe FJKM sy ny Fiangonan’I Jesoa Kristy ho zava-dehibe manomboka amin’ity taona ity ny fisian’ny atao hoe “Herinandron’ny fianakaviana”,

02-févr-2022

 raha ny fampahafantaran’izy ireo tetsy amin’ny FJKM Ambatonakanga omaly. Ny fiainan’ny FJKM dia misy ny hoe “Herinandro masina” izay iarahan’ny Kristianina mivavaka mialohan’ny Paska. Misy ny atao hoe “herinandron’ny fanahy masina” mialohan’ny Pentekosta ary misy ny atao hoe “Herinandro sambatra” izay iarahan’ny Kristianina mivavaka mialohan’ny Krismasy. Hanomboka hankalaza ny atao hoe “Herinandron’ny fianakaviana” kosa ny FJKM amin’ity taona ity. Iaraha-mivavaka mandritry ny herinandro io hibanjinana izay hikoloina izany fiainam-pianakaviana izany. Eo ny fiainan’ny mpivady, ny ray aman-dreny sy zanaka, ny mpiray tampoho mba hitodika sy hiverina amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Hanomboka ny 14 febroary izao izany herinandron’ny fianakaviana izany ary hifarana ny Alahady. Ankoatr’izay moa dia hiditra amin’ny andiany fahatelo koa ankehitriny ny hetsika antsoina hoe “Vontom-pitia” izay hiresahana izany lohahevitra momba ny fiainam-pianakaviana sy mpifankatia izany. Samy mangetaheta fitiavana sy maniry ho vontom-pitia avokoa ny olona rehetra. Nomen’Andriamanitra izany fitiavana izany isika rehetra. Vitsy anefa ny tena mahay mitia rehefa toloran’ny mpahary izany. Noraisin’ny FJKM ho adidy, noho izany, ny fanatanterahana fanompoam-pivavahana mandritry ny herinandro na ilay herinandron’ny fianakaviana ny 14 hatramin’ny 20 febroary. Isan’andro koa mandritr’izay fotoana izay dia antsoina hiara-kiombona amin’ny fampianarana sy famelabelaran-kevitra miampy hetsika ary lalao samihafa ao anatin’ilay hoe “Vontom-pitia”, izay ho tanterahana mandritry ny 4 andro ao amin’ny katedraly Analakely ary ho faranana ao amin’ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny rehetra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Legende: Tetsy amin’ny FJKM Ambatonakanga omaly
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap