airtel

Finoana

24-avril-2024

Fifandirana mangotraka ao Mandritsara

Narodan’ny mpianatry ny Lisea ny vato fototry ny fiangonana Shine

Sample post image

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

24-avril-2024

ao Mandritsara sy ny fiangonana zandriny Shine. Raikitra omaly ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra eo ambany fitarihan’ny Proviseur nanehoana ny tsy fankasitrahana ny fananganana fiangonana eo akaikin’ny vavahadin’ny lisea. Sokajian’ny sekoly ho miteraka kotaba ka hanelingelingelina ny fampianarana ny fisian’io fiangonana io eo. Voalaza fa efa nisy ny fitarainana mialoha, nalefa amin’ny ambaratongam-pahefana rehetra ao Mandritsara ary tonga hatrany amin’ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, raha ny fanazavan’ny Proviseur R.Rochel. Efa namoaka naoty fampitsaharana ny Fanjakana kanefa tsy voahaja, hoy ny fanamarihana. Ny 12 aprily lasa teo no namoaka naoty ny Prefektiora ao Mandritsara, fa noho ny antony fitarainana voaray avy tamin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Lycée Mixte Vicror Miadana Miadana ka nahazoana hafatra/baiko hentitra avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana, dia miato tsy misy fepetra ny fanorenana tranom-piangonana izay atao ao anatin’ny fotoana tsy voafetra. Voalaza anefa tsy voahaja izany, ka niafara tamin’io fidinana an-dalambe sy famotehana io, ka ankoatra ny fandrodanana dia nodoran’ireo mpianatra ny bandrabandra namefy ny fananganana. Bajaj miisa 2 nanao asa fitaterana no simba rovitra labasy tao anatin’ny fihetsiketsehana. Andaniny, dia voalaza fa nahazo fahazoan-dàlana avy amin’ny ben’ny tanàna ny fanorenana io fiangonana io. . Dingana iray no ataontsika ka hojerentsika raha mbola hanao an’io ry zareo na tsia. Isika tsy hihemotra, izay no fanapahan-kevitry ny maro, hoy kosa ny Proviseur tao anatin’ny kabariny omaly. Manoloana ny toe-draharaha ao an-toerana, nisy ny fivoriana nataon’ny OMC (Organe Mixte de Conception) ao Mandritsara, ka andrasana ny tohiny
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Notendren’ny Papa Fransoa ho evekan’i Maintirano ny Monseigneur Rakotoasimbola Clément Herizo,

Card image cap