airtel

Finoana

02-nov-2021

Finoana

Fikambanana FIFAMADA “Efa misy praograman’Andriamanitra ho an’ny zaza vao miforona”

Sample post image

Nampahafantarina ny sabotsy teo teny amin’ny Espace Fihantana Ambatomitsangana ny fijoroan’ny fikambanambe izay tarihin’ny Apostoly Tsaratsara dia ny FIFAMADA

02-nov-2021

 na ny Fikambanana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra eto Madagasikara izany. Fikambanana maneran-tany izy io, hoy ny filoha nasionaliny, Faratiana Rasolofomasoandro. Ho avy, hoy ny FIFAMADA, ny fotoanan’Andriamanitra hanandratany an’I Madagasikara ho firenena matanjaka indrindra maneran-tany. Isan’ny manda ny tolo-dalàna mikasika ny fampitsaharana vohoka ny FIFAMADA satria tsy sahaza amin’ny maha zanak’Andriamanitra izany ary ampianarina mihitsy koa aza rehetra mianatra haifampianarana na “pédagogie” ny hoe “des sa conception, l’enfant possède un âme.” Efa misy praograman’Andriamanitra ho azy sahady noho izany ny zaza vao miforona, hoy hatrany ny FIFAMADA. Tsy azo tohanana io, hoy izy ireo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap