ny andiany faharoa tamin'ny fametrahana dian-tanàna tamin'ny saina lehibe iray avy amin'ny fikambanana Lanitra vaovao sy tany vaovao. Raha tsiahivina moa dia teo amin'ny kianjan'ny Barea taorian'ny diaben'ny fahaleovantena izay niarahana tamin'ireo minisitra sy andrim-panjakana isan'ambaratongany tamin'ny faha 04 Jona teo ny andiany voalohany. Toerana maro samihafa no nanatanterahana ny hetsika izay tafiditra ihany koa amin'ny fankalazana ny faha 65 taona niverenan'ny fahaleovantena mba hahafahana mamihina sy mampiray ny karazan'olona rehetra eo amin'ny fiarahamonina na salan taona, na lahy na vavy, na fahasamihafana inona na inona, hoy ny mpikarakara. Tanjona tokana nanaovan'ny fikambanana izany dia ho marika ny fampiraisana ny Malagasy rehetra, tsy ho sarahin'ny fiaviana, na saranga na firehana maro isan-karazany fa hitambatra ho iray hahafahana mampandroso an'i Madagasikara. Teny filamatra izay voizin'izy ireo hatrany moa ny hoe "Iray Isika" izay manamafy io hafatra io. Mbola hisy ihany koa ny andiany fahatelo izay ho tontosaina aorian'izao ary ho haranty ihany koa ny saina aorian'izay, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanamarihana.
Nangonin’i Toky R