Tontosa tetsy amin’ny FJKM Ambatonakanga omaly ny fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra noho ny fanamarihana ny andro maneran-tanin’ny Fikambanana mampiely Baiboly maneran-tany. Miisa 150 eo, hoy ny fanazavan’ny Mpitandrina Fabrice Rabenjarisolo, tale nasionalin’ny FMBB, ireo fikambanana mampiely Baiboly anatin’izany ary miasa amin’ny firenena manodidina ny 240 isa. Mpikambana feno anatin’izany ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy na FMBM, hoy izy. Fankalazana an’Andriamanitra ihany koa ity ho fanokafana ny tetikasa antsoina hoe Fanamby 60 andro ho fanorenana ara-tsoratra masina. Eto Antananarivo renivohitra no hanombohana io tetikasa io ho fambolena sy fanazarana tsara ny soratra masina amin’ny olona tsirairay avy manoloana ny rotorotom-piainana samihafa. Antananarivo renivohitra no tena feno rotoroto indrindra ka indraindray adino tanteraka mihitsy ny anjara toeran’Andriamanitra. Afaka 2 taona no hankalazaina ny faha 60 taonan’ny FMBM. Ho fanomanana an’izay aloha izany io. Faharoa, eo amin’ny lafiny psikolojia sy fanabeazana. Rehefa hamboly fahazarana tsara anaty vondron’olona na fiarahamonina dia 60 na 70 na 90 andro no hanatanterahana azy. Antony safidin’ilay 60 andro izay misy dingana miisa 3 koa izay. Ny 20 andro voalohany dia fampiasana ny fantsona na «application» anaty finday. Ny 20 andro faharoa dia ny fivondronan’ireo nanatontosa izay fanamby izay amina toerana iray. Ny 20 andro fahatelo dia fivondronana anatina toerana iray hijerena horonantsary ara-pilazantsara. Tsy fiangonana fa fikambanana Kristianina ny FMBM ary ivondronana fiangonana Kristianina samihafa. Ao anatin’izay no ahafahana koa mamerina amin’ny laoniny ny fahamarinan’ny soratra masina satria tsy foto-pampianarana no resahana fa fahamarinana ara-tsoratra masina. 190 isa eo ny mpirotsaka an-tsitrapo hanatontosa ny hetsika rehetra hatreto. Olona hanao fanamby amin’ny tenany any amin’ny 900 isa any no kendrena. Ny sabotsy 15 aogositra raha sitrapon’Andriamanitra no mifarana ilay hetsika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija