Nokafana tamin’ny fomba ofisialy ny voalohan’ny volana martsa tao amin’ny FJKM Katedraly analakely ny fanokafana ny fankalazana ny faha 55 taonan’ny fikambanana mpiara-mamaky ny baiboly eto Madagasikara. Fotoam-pivavahana niarahana tamin’ireo mpiara miasa sy ireo rehetra niara-dalana tamin’ny FMMB hatramin’iizay. Mialohan’ny fotoam-pivavahana dia nisy ny rindran-kira niarahana nidera an’Andriamanitra. Ny taona 1971 no nijoro aradalana sy ara-panjakana ity fikambanana ity ary nanomboka teo dia niasa nitory ny filazantsara sy nampianatra tenin’Andriamanitra. Teo amin’ny faha 25 taonany dia ny trano misy ny foibeny etsy antaninarenina no tsangambato ho fahatsiarovana. Amin’ity faha 55 taona ity dia ireo tsanganan’olona marobe izay natsangan’ny teninAndriamanitra sy voavonjy noho izany no tena fahatsiarovana. Misy ihany anfa ny tsangam-bato hita maso dia ny fananganana toerana fanaovana fanatanjahantena maro sosona. Nosafidiana manokana izany satria taom-panavaozana izao hoy Kamille Rafilimanana tale nasionalin’ny fikambanana mpiara mamaky ny baiboly eto Madagasikara. Mahasarika olona maro ny fanatanjahantena ka hiompana any indray ny sehatra hitoriana filazantsara. Hizara 3 mazava tsara ity taompakalazana ity raha ny fanazavana. Fanokafana ihany ity natao teto Analakely ity . ny faha 18 Jolay 2026 no hanaovana ny Ivon’ny fankalazana amin’ny alalan’ny fanolorana marim-pakasitrahana ireo mpamaky lay , mpiasa antsitra po teo anivon’ny fikambanana. Ny amin’ny 31 Desambra kosa indray no hamaranana ny fankalazana ka lanonana fanaovam-beloma ny taona no ho karakaraina , hanasana ireo rehetra niaradia tamin’ny FMMB. Mandritra izany ihany koa no hametrahana eo ampelatanana’Atra ny lalana izay mbola hizoran’ny fikambanana.
Solotiana