airtel

Finoana

09-juil-2021

Finoana

Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly Tsy manenjika ny LGBT fa manarina ireo lavo kosa

Sample post image

Naneho ny heviny mikasika ny fiarahan’ireo olon-droa mitovy fananana mifankatia na miaraka ny fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly omaly notarihin’ny tompon’andraikitra voalohany ao aminy Atoa Rafalimanana.

09-juil-2021

 Nambarany tamin’izany fa tsy manenjika velively ireny olona ireny izy ireo. Na izany aza dia tsy maintsy hampahafantarinay azy ireny kosa ny tena sitrapon’Andriamanitra hoy izy izay manambara fa ny lahy sy ny vavy ihany no tokony hivady. Tsy latsa-danja amin’izany hoy izy ny fanarenana ireo olona lavo mba hiverenany amin’ny lalana mahitsy araka ny sitrapon’Andriamanitra indray. Niantso sy namory ny mpanao gazety ny fikambanana omaly. Nivoitra nandritra izany ny asa izay hotanterahin’izy ireo ao anatin’izao famaranana ny jobily faha-50 taona nijoroan’ny fikambanana izao izay hifarana amin’ny 31 desambra ho avy io raha tsy misy ny sampona. Asa goavana no hiantsorohan’izy ireo mandritra izany toy ny famerenana ny olona ho tia sy hankamamy ny tenin’Andriamanitra. Toraka izany koa ny fananganana olona ho an’i Tompo sy hanao ny sitrapon’Andriamanitra eny anivon’ny fiaraha-monina. Ekena hoy izy ireo fa mitombo isa hatrany ny fiangonana ankehitriny saingy na izany aza tsy voafaritra intsony ireo tena mitory ny tenin’Andriamanitra marina ka tsy maintsy raisin any andraikitra.

Pati
 

Dans la même rubrique