airtel

Finoana

12-janv-2021

Finoana

Fikambanana Silamo Malagasy Misy mpino mitaky ny hanesorana ny filohany

Sample post image

Mikorontana tanteraka ny fiainan’ireo mpino eo anivon’ny antokom-pinoana

12-janv-2021

 

 

 

Silamo sy ny fianakaviam-be mozilimana  « sunnite » manerana ny faritra maro amin’izao. Niainga tamin’ny fifandonana tamin’ny tompon’ny sekoly tsy miankina tantanan’ny mozilimana etsy amin’ny 67 ha afovoany andrefana izany ka nampiantona ireo mpianatra marobe tsy ho afaka handia ny varavaran-tsekoly efa 9 volana izao. Nitohy tany amin’ny faritany izany izay voalaza fa haripak’ity olona ity avokoa izay tsy mitovy hevitra aminy ka nahavotana am-ponja raiamandreny am-panahy sy ara-piaraha-monina ary koa mpino tsotra miisa 33 any Fenoarivo Atsinanana. Miisa 11 ihany koa no lasibatra tany Ambanja, 1 teto Antananarivo ankoatra ireo efa notanana nandritra ny 24 ka hatramin’ny 72 ora teny anivon’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fanenjehana ara-pitsarana teto an-drenivohitra sy tany amin’ny farany. Mbola misy ihany koa hoy Atoa Branco izay mpitondra tenin’izy ireo ny taratasin’ady telo hafa hikendreny hampidirana am-ponja ireo Ray aman-dReny am-panahy sy tompon’andraikitra ara-pitantanana teo anivon’ny moske 67ha afovoany andrefana sy ny maro tsy voatanisa. Vokatr’izany dia nivory maika tetsy amin’ny 67 ha omaly ireo sojabe eo anivon’ity antokom-pinoana iray ity nahitana solontena avy amin’ny faritra 23. Manameloka tanteraka ireo fihetsika tsy ara-pahendrena sy tsy ara-pahamendrehana nataon’ity tompon’andraikitra ity izy ireo , antony miteraka disadisa sy ny fifanenjehana ary fizarazarana eo amin’ny zanaky ny antokom-pinoana Silamo sy ny fianakavim-be mozilimana eto amin’ny firenena. Tsipahin’izy ireo marindrano araka izany ny maha-filohan’ny fikambanana Slamo Malagasy ity tompon’andraikitra ity sy ny fitononany ho lehiben’ny mpanaraka finoana Silamo eto Madagasikara. Takian’izy ireo tsy misy hatak’andro koa ny hanajanonan’ity farany ireo andraikitra rehetra sahaniny mifandraika amin’izay maha-filohan’ny fikambanana Silamo Malagasy azy izay.

 Pati

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap