airtel

Finoana

27-avril-2022

Finoana

Fikambanan’ny Silamo Malagasy Nanampy tokatrano 200 tany Sakaona Manakara

Sample post image

Maneho fa mitondra anjara biriky ho an’ny lafiny maha olona sy fampandroam-pirenena ny Fikambanan’ny Silamo Malagasy na ny FSM.

27-avril-2022

Ny faran’ny herinandro teo, nanampy ireo tra-boinan’ny rivo-doza nifanesy ho fanarenana ny fiainany tany Sakoana, tao amin’ny disrikan’i Manakara, ny iraky ny birao nasionaly. Nanolotra fanampiana ara-tsakafo nisy vary 10 kilao sy menaka fihinana 1 litatra ary siramamy 1 kilao isan’olona ho an’ny tokantrano 200 tao amin’ity kaominina ambanivohitra Sakoana ity. « Ho fanohanana amin’ny fiarenan-doha tamin’ny fahavoazana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza nisesy izao hetsika anaovana laharam-pahamehana ny faritra tena voa mafy izao », hoy ny Filohan’ny FSM Atoa Abousoary Saïd Arsène, nandritra io fotoana io. Nialoha an’izao, efa nisy ny fanampiana tany Ambohitsara-Mananjary sy ny fanadiovana tanàna natao tàna-maro tao Ambalavontaky, tao Manakara an-drenivohitra, ary mbola hotohizana amin’ireo faritra tena mila izany, hoy izy. Naneho kosa ireo olobe tao an-tanàna fa potika ny fiharian’izy ireo, ka nankasitraka izao fihetsika nifanandrify amin’ny fifehezana amin’ny volana ramadan izao, izay ny mpino silamo moa no betsaka tao amin’io tanàna io. Notsindrian’i Rabefibirana, ben’ny tanànan’i Sakoana rahateo fa tsy mbola nahazo fanampiana tamin’ny fanjakana ireo fianakaviana 800 tra-boina tao nefa nalefa ara-potoana ny tatitra tamin’ny manampahefana tandrify sy ny BNGRC. Nilaza ny fahavononany hifanome tànana amin’ny fanjakana amin’ny fampivoarana ny fari-piainan’ny vahoaka sy ny fampandrosoam-pirenena ny Filohan’ny FSM, ary niantso fiaraha-miasa amin’ny tsara sitra-po rehetra. Notsipihin’ny Oustaz Landry izay mpitarika ny mpino silamo ao an-toerana kosa ny tokony hamahan’ny fanjakana haingana ny olana anatiny, mampikorontana ity fikambanana ity vokatry ny ambaran’izy ireo fa fisandohan’ny mpitady tombontsoa manokana izay manakorontana ny FSM.
Toky R

 

 

Dans la même rubrique