airtel

Finoana

26-juil-2022

Finoana

Filoha vaovaon’ny Jesosy Mamonjy “Efa vita ny fampihavanana, tapitra ny disadisa”

Sample post image

Nampahafantarina ampahibemaso teny amin’ny foiben’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano ny vokatry ny fifidianana ny filankevim-pitantanana eo anivon’ity fiangonana ity.

26-juil-2022

Araka ny fitsipi-pifehezan’ny fiangonana dia ny alahady voalohany manaraka ny fivoahan’ny voka-pifidianana no hametrahana ireo biraon’ny filankevitra vaovao ka ny pastera Randrianatoandro Raymond no filoha vaovao, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Nisy ny fotoam-pivavahana fifamelan-keloka sy fampihavanana teny an-toerana ny maraina. Ny tolakandro kosa dia nisy fotoam-pivavahana sy fiaraha-mifaly teny amin’ny Espace Le Lion d’or Anosiavaratra niarahan’ireo mpitandrina sy mpino maro ary nasaina manokana tamin’izany ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, izay zanaky ny fiangonana no nanampy betsaka tamin’ny fandaminana. Tao anatin’izany koa moa ny fifanojoan’ny tsingerin-taona nahaterahan’ny filoha vaovao ny faha 23n’ny volana jolay. Nanamafy ny filoha vaovao fa efa vita ny fampihavanana ka hiroso avy hatrany amin’ny fampandehanana ny asan’Andriamanitra ny tenany sy ny biraony. Ny fitoriana ny filazantsara no zava-dehibe fa tapitra hatreo ny disadisa. Nisaorany manokana ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fa na teo aza, hoy hatrany ity filoha vaovaon’ny Jesosy Mamonjy ity, ny fanenjehana sy fanaratsiana nahazo azy dia mila mifamela heloka ny samy Kristianina.
J. Mirija

Dans la même rubrique