airtel

Finoana

26-août-2022

Finoana

Filohan’ny FJKM “Mila tanora marina sy mandray andraikitra ny firenena”

Sample post image

Lohahevitry ny fampianarana nentin’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi ao anatin’ny Fihaonamben’ny STK FJKM any Toamasina omaly ny hoe : «STK olon’ny fiangonana »,

26-août-2022

nanamafisany ireo zavatra 5 takian’Andriamanitra dia ny : Tanora miova marina ; Tanora mino marina ; Tanora masina marina ; Tanora miangona marina ; Tanora vavolombelona marina. Antsoina isika mba hiova mba hanantaterahana ny vinan’ny Fjkm « Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasika, filazantsara manova ny tantara », ka mba hiova ho marina izao tontolo izao. Tokony hanomboka amintsika tanora ny fiovana, hoy izy. Mila ny tanora ho mino marina izany hoe: mahazo antoka ny maha zanak’Andriamanitra azy ihany koa, mandray an’i Kristy, manokatra ny fo mba hidiran’i Jesoa. Niantso ny tanora handeha amin’ny fahamasinana ny Filohan’ny FJKM satria ny olona masina dia olona voatokana, miavaka indrindra manoloana ny olana 2 goavana amin’izao: olana momba ny zava-mahadomelina: sigara, paraky, Toaka, rongony, ka ny tanora masina dia mila mifady izany, mijoro fa tsy menatra, mianatra mifampiteny. Faharoa ny olana momba ny fitiavana: milomano ao anaty fijanganjangana ny malagasy : fiaraha-mandry amin’ ny olon-kafa ankoatra ny vady, ka tsy tokony hiaina izany ny STK satria «Ny kristiana tsy mijanganjanga », hoy ny hafatra mafonja nentiny. Ny firoboroboan’ny fiarahan’ny lahy sy ny lahy sy ny vavy sy ny vavy izay vohizina tanteraka amin’izao fotoana izao,, ka « fady sy voararan’Andriamanitra izany », tokony toherina, tsy tokony isika STK no hanaparitaka izany, hoy ny Filohan’ny FJKM. Notsipihiny ihany koa ny hoe : « Tanora miangona marina », araka ny Hebreo 10: 25 « aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. », izany hoe : tokony hanoy ny vinan’ny Fjkm hoe :: « mazoto miangona »,… Nohamafisiny ihany koa fa tokony ho tanora mandray andraikitra politika ny STK: mifidy, manara-maso fifidianana, Fijorona vavolombena. Mila atao ao anaty fahamarinana. « Rehefa tsy isika no handray andraikitra dia olona hafa no handray andraikitra ka izay toerana rehetra misy antsika dia tokony hanehoana fa kristianina isika, kanefa tsy tokony ho menatra, tsy tokony hatao fitaovana politika ny fiangonana, hoy ny Filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap