farany teo, no tapaka fa omanina ny fisotroan-drononon’ny filohan’ny FJKM Ankehitriny, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina. Rafitra iray ahitana olona miisa 100 manapa-kevitra ny ankapoben’ny fiainan’ny fiangonana ny mpiandraikitra foibe, hoy ny fanazavan’ireo komity misahana izay fanomanana ny fisotroan-drononon’ny filohan’ny FJKM izay omaly tetsy amin’ny Akany FJKM Ambatonakanga. Ny taona 2025 aorian’ny sinoda lehibe atao any Taolagnaro no andeha hisotro ronono ny filohan’ny FJKM ankehitriny. Nanapa-kevitra, noho izany, ny mpiandraikitra foibe fa omanin’ny FJKM rehetra izany. Sady filohan’ny FJKM izy no filohan’ny FFKM no filohan’ny FFPM ankehitriny. Mafy be ny asany ka mangataka fitrotroana izany am-bavaka avy amintsika rehetra. Ny sabotsy 14 oktobra izao moa no ho sokafana izany taom-pankalazana izany ao Antsahamanitra ka hanasana ny rehetra. Hisy aorian’izay, any amin’ny volana septambra any ny hetsika ara-panatanjahantena isan-karazany ary hisy hetsika fanamarihana hatrany hatramin’ny taona 2025, famaranana ny fankalazana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija