airtel

Finoana

25-août-2022

Finoana

Filohan’ny FJKM “Tsy misy loko politika aty am-piangonana”

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tany Toamasina Renivohitry ny faritra Atsinanana ny Fihaonamben’ny Sampana Tanora Kristianina na ny STK eo anivon’ny Fiangonana FJKM nonomboka omaly 24 hatramin’ny 28 aogositra ho azy izao.

25-août-2022

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany ny Filohan’ny FJKM ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi, notronin'ireo tompon'andraikitra maro. Hentitra izy tao anatin’ny toriteniny omaly maraina naneho, fa tsy tokony hampidirana loko politika ny fiangonana. “Ao anatin’ny fandraisana andraikitra ao anatin’ny sehatra politika, tsy atao fitaovana politika ny Fiagonana! Tsy atao fitaovana politika ny Fiangonana! Ny dikan’izany hoe: ataonao fitaovana politika ny fiangonana dia hoentinao miditra aty am-piangonana ny loko politikanao. Tsy misy loko aty, tsy misy politika tokony hiditra aty am-piangonana, aty am-piangonana dia zanak’Andriamanitra iray ihany noho ny batisa isika rehetra. Ajanoany any ivelan’ny varavaram-piangonana ny loko politikanao, rehefa ianao, zanak’Andriamanitra iray ihany”, hoy ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Notsipihiny kosa ny hoe: “Aza menatra manao politika fa rehefa manao politika dia mba manaova politika araka an’I Kristy, fa tsy ny lalan-kizoran’ny adala rehetra izao no hizoranao ihany koa rehefa kristianina ianao”.
MILA MANDRAY ANDRAIKITRA
Nanao antso avo amin’ny tanora kristianina rehetra noho izany izy mba hirotsaka amin’ny fandraisana andraikitra rehetra tokony hatao eto amin’ny firenena ny tenany. “Mila mandeha mifidy ianao rehefa tong any fotoam-pifidianana, afaka mirotsaka ho mpanara-maso ny fifidianana mba ho voaaro ny fahamarinana, rehefa mandray andraikitra mba araka ny fahamarinana mba ho vavolombelon’I Kristy, fa tsy ho vidiana vola na inona na inona satria izany ny zavatra mitranga amin’ny tontolon’ny fifidianana, mahatonga fikomiana hatrany Etazonia tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, misy resaka vidiana vola…”. Mila mandray andraikitra araka ny fahamarinana fa raha tsyhandray andraikitra dia ho araka ny kristianina, hisy hafa handray andraikitra eto, ary rehefa tsy kristianina no mandray andraikitra dia hafa ihany koa ny lalàna hipetraka eo anivon’ny fiarahamonina”, hoy ny Filohan’ny FJKM. Tsy vao sambany no nanehoan’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi ny ondriny ho sahy hanao politika satria raha tsiahivina, efa tamin’ny janoary 2018 nentina nanokafana ny taom-piasana sy nitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM, dia anisan’ireo hafatra nentiny ny hoe: “Mahereza manefa ny adidy; mijoroa ho fanasin’ny tany; aza menatra manao politika”. Midika izany, fa tsy ny politika no ratsy, ary tokony ho fitaratra amin’ny fanaovana izany ny mpino. Politika mikatsaka ny soa sy ny tsara ho an’ny firenena fiarahamonina kosa anefa, ary tsy tokony ho lasa henatra ho an’ny fiangonana ireo ondriny izay misehatra amin’ny politika. Nohamafisin’ny Filohan’ny FJKM tao anatin’ny fampianarana nentiny ny tarigetra tokony hananan’ny tanora:Tanora Miova (marina), Tanora Mino (marina), Tanora Masina(marina), Tanora Miangona(marina), Tanora Vavolombelona (marina). Tonga nanome voninahitra izany ny Goveronoran'ny faritra atsinanana Rafidison Richard Théodore sy ny lefitry ny Distrika izay nisolotena ny Prefen'i Toamasina ary ny Ben'ny Tanànan'i Toamasina Nantenaina Rakotonirina.
Toky R
 

Dans la même rubrique