airtel

Finoana

17-oct-2022

Finoana

Finoana Katolika Miato aloha ny hetsika rehetra any Anosivolakely sy Soaniroa

Sample post image

Nilatsaka ny didy : miato daholo aloha ny hetsika rehetra ataon'ny Eglizy Katolika Romana (EKAR) any Anosivolakely sy Soaniroa satria tsy mifanaraka amin'ny finoana Katolika ny zavatra miseho any an-toerana fa mbola misy

17-oct-2022

fanadihadiana lalina ataon'ny eo anivon'ny EKAR sy ny VATICAN.Nanamafy izany ny arsevekan’Antananarivo ny Mgr Odon Razanakolona ny faran’ny herinandro teo.Toerana fanatanterahana fivahinianana masina sy recollection ho an’ny mpino Katolika ireo toerana roa ireo, ny tena malaza sy fantatry ny rehetra dia i Anosivolakely izay nambara fa nisehoan’i Masina Maria. Io fanapahan-kevitra nivoaka io no midika fa miahiahy ny amin’ny fahamarinan’ilay hoe fisehoana izany ny Eglizy ka mila fanadihadiana lalina kokoa. Ary tsy mijanona eto Madagasikara ihany moa ilay raharaha fa efa tonga hatrany Vatican mihitsy ; manana anjara toerana goavana amin’ny finoana Katolika i Masina Maria, renin’Andriamanitra ary tena mahasarotiny tokoa ny Eglizy .Andrasana izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

Card image cap