Sady fotoana namaranana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny ankizy katolika na JNE izay natao teto Antananarivo nandritra ny 4 ny omaly, no lanonana ara-pinoana nametrahana ny Arseveka vaovao. Izy no handimby ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay niantsoroka izany toerana izany nanomboka ny taona 2006, ka handeha hisotro ronono taorian’ny 17 taona naha arseveka azy. Natolotra azy tamin’io ny sary maneho ny faritanin’ny diosezy hiantsorohany, izay nisy fanavaozana. Nampitaina ihany koa ny satan’ny diosezy, izay tsy vaovao aminy. Natolotry ny Nonce Apostolika Mgr Tomasz Grysa izay solontenan’ny Papa Fransoa eto Madagasikara azy nandritra io lanonana ara-pivavahana io ny « Pallium » marika famantarana ny maha arseveka azy. Ny 29 jona 2023 teo no efa nandraisana azy io nandritra ny lamesa Lehibe tany amin’ny Bazilikan’i Masindahy Piera tany tany Roma. Ny «Pallium » moa dia ilay firavaka vita amin'ny volon'ondry fotsy, misy sarina hazofijaliana, natokana ho an'ny Papa na ny Arseveka, izay anaovana mandritra ny sorona masina. Ny fandraisana ny "Pallium" dia Famantarana, ny maha-Arseveka Tompon-toerana, eo amin'ny Faritra Ekleziastika ira. « Amin’ny maha arseveka ahy, dia manana andraikitra lehibe hisolo tena an’I Kristy, ankininy amiko ny eglizy,… Ny teny ampiasaiko dia ny tenin’ny mpiandry ondry.I kristy no tsy maintsy inoako,...”, hoy ny Arsevekan’Antananarivo vaovao Mgr Jean de Dieu Raoelison. Nisaotra ny diosezin’Ambatondrazaka izay niasany, ary naka tsodrano sy nitsodrano azy ireo ny tenany. Niantso soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra eo anatrehan’ny andraikiny vaovao hitantana ny diosezin’Antananarivo. Ity Arsevekan’Antananarivo ity ihany koa no hisolo tena ny Fiangonana katolika eo anivon’ny FFKM, izay manana adidy sy andraikitra ara-pinoana sy zary lasa karazana arofanina amin’ny raharaham-pirenena. Ankoatra ireo mpino katolika isan-tsokajiny, dia olo-manan-kaja maro samihafa nahitana olom-panjakana sy mpanao politika maro ny lanonana omaly, ka anisan’ny nanotrona izany ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.
Toky R