airtel

Finoana

28-juil-2022

Finoana

Fiombonan’ny fiangonana zandrina Miisa 7 hatreto no namaly antso ao Ambohimandroso

Sample post image

Tontosa ny firahalahian’ny fiombonan’ireo fiangonana zandriny na FIFIZA ao Ambohimandroso, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Araka ny fanazavan’ny Pasitera Faliniriana Rakotoarisoa,

28-juil-2022

pasitera ao amin’ny fiangonana Assemblee de Dieu, izay filohan’ny FIFIZA, dia tanjona ao anatin’izao ny hampiombona hahatonga ny olona iray hanantena fiainana mandrakizay sy famonjen’I Jesoa Kristy. Andrasana aorian’izao ny fitomboan’ireo mpino sy ny fandrosoan’ny fiangonana tsirairay avy any. Tanana somary an’elanelany be I Ambohimandroso ary ny tsikaritra dia betsaka ny karazana fanompoan-tsampy, fidorohana zava-mahadomelina miseho lany eto ka antony hanaovanay ny ezaka rehetra handrava izany rehetra izany, izay asan’ny fahavalo dia ny devoly. Miisa 7 hatreto ireo fiangonana zandriny namaly izao fiombonana izao raha toa ka 15 no efa nantsoina, hoy hatrany ny fanampim-panazavana voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap