airtel

Finoana

28-déc-2021

Finoana

Fitoriana ny filazantsara Nodimandry ny Pasitera Tantely Ratsimba

Sample post image

Nodimandry omaly hariva, tokony ho tamin’ny 8 ora ny tomponandraikitra voalohan’ny misiona “Miomana hihaona amin’Andriamanitrao”, ny mpitandrina Tantely Ratsimba, fantatry ny maro amin’ny hoe “Pasteur Tantely Ratsimba”.

28-déc-2021

 Isan’ny nahaliana sy nahavariana ireo Kristianina nahita ny fampianarany ny tsy filazany hatrany fa ny hafatra maika indrindra rehefa hitory ny filazantsara dia ny fampahatsiahivana ny fiverenan’I Jesoa Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra handray ireo nankato ny fampianarany ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy ny resaka vola sy ara-materialy, hoy ny famerimberiny, no mahamaika fa ny famonjena ny fanahin’ny fiangonana mba handraisany an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany ary anton’ny tsy fisian’ny fitakiana rakitra na vola mandritr’ireo fotoam-bavaka tarihiny izany. Nanatontosa hetsika fitoriana tao amin'ny PK00 Soarano no nahitana azy farany ny 12 desambra teo nialohan’ny nandazoin’ny areti-mandripaka COVID 19 azy, raha ny vaovao voaray hatrany. Mirary fiononana feno ho an’ireo vady aman-janany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique