airtel

Finoana

11-mars-2024

Fitsinjovana Alatsinainy Bakaro

Nisy nandoro ny FJKM Ambondrona Salema vaovao

Sample post image

Zava-doza no nitranga tao amin'ny kaominina Fitsinjovana any Alatsinainy Bakaro,

11-mars-2024

distrikan'Andramasina, ny zoma 8 martsa 2024, tokony ho tamin'ny 7 ora hariva, raha ny fampitam-baovao voaray. Nisy nandoro ny Fiangonana FJKM Ambondrona Salema vaovao. Tsy nisy disadisa, tsy nisy ady nefa dia sotasota fotsiny izao, hoy ny fanazavana. Soa fa nisy nahita ny firehetana ka avotra avokoa ireo entana tao am-piangonana rehefa nifamonjen'ny fokonolona tao an-tanàna. Tafo bozaka ilay fiangonana ka mora ny fiitaran'ny afo, hoy ireo mponina. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ka efa misokatra ny fanadihadiana ankehitriny, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap