airtel

Finoana

15-mai-2024

Fivondronamben’ny Eveka

« Mila mpitondra mahalala ny filam-bahoaka i Madagasikara»

Sample post image

Notsipihin’ny Fivondronamben’ny Eveka fa sakana iray lehibe amin’ny

15-mai-2024

fampandrosoana ny tsy fampiharana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mivangongo any amin’ny foibe ny fakana finiavana sy ny fametrahana ny tetik’asa sy ny lamin’asa, hany ka manjary mpiandry baiko sy fandaminana fotsiny ny any ifotony. Izany no anisan’ny miteraka ny toe-tsaina miandrandra fitondrana mandrakariva, na dia adidy tokony ho vitan’ny any an-toerana aza. Ny fifampihainoana rahateo moa tsy misy, na dia zavatra marina sy mahasoa no ambaran’izay miteny, indrindra raha voasokajy ho mpanohitra na tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra izy ireo. Tsy hahasoa ny firenena mihitsy ny fifampiheverana ho fahavalo, araka ny fanambarana novakian’ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka Mgr Gabriel Randrianantenaina. Manampy an’izany koa ny tsy fisian’ny drafi-pampivoarana mazava sy mijery izay laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka. Maro ireo fotodrafitrasa ajoro no tsy mamaly ny tena filana maika, na tokony hatao any ambanivohitra mbola tsy misy an’izany mihitsy. Ny tena maika ho an’ny vahoaka dia ny hohaniny sy hitafiany, ny fianaran-janany, ny fahafahany miahy ny fahasalamany, ny jiro sy ny rano hosotroiny, ny fahitany asa hivelomana … Ireo no andrasany hataon’ny fitondram-panjakana laharam-pahamehana, hoy ny fanambarana. Tokony ho efa fantatry ny mpitondra izany, fa ny drafitra sy tetika entina miasa no tsy misy. Nahitsy noho izany izy ireo nilaza fa mpitondra mahalala sy manaiky hobaikoin’ny filan’ny vahoaka araka ny laharam-pahamehany i Madagasikara, ary tsy amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ihany no hisehoana sy hanaovana resaka momba izany, fa mandritra ny fotoam-pitondrana. Momba ny fifidianana, mila mahay manao fifaninanana madio sy mihaja ireo mpilatsaka hofidiana, fa tsy hifampitondra toy ny mpifahavalo; ary ny mpifidy dia ho mailo hatrany mba tsy ho latsaka amin’ny vela-pandrika isan-karazany, toy ny tolotolotra avy amin’ireo mpilatsaka hofidiana. Tokony ho an-kalalahana tanteraka, tsy voafatopatotra, no handehanan’ny vahoaka mifidy. Olona hiaro azy no ilain’ny vahoaka ao anatin’izao hasarotam-piainana mangeja azy izao, hoy hatrany ny Fivondronamben’ny Eveka.

Nohamafisin’io rafitra eo anivon’ny katolika io, fa ny fanabeazana sy ny fiofanana no tsy maintsy hamafisina, manomboka any amin’ny fianakaviana ka hatrany amin’ny andraikitra sahanina. Tsy mitsahatra misarika ny saina amin’ny hijerena akaiky an’ireo. Nametra-panontaniana hoe : mamaly an’izany ve ny fandaharam-pianarana sy ny mpandraharahan’ny fanabeazana ary ny fotodrafitrasa?
Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Raha vao miresaka finoana, ny momba ny fivavahana ianao, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap
25-juil-2024

voizina etsy sy eroa amin’izao ilay politikam-panjakana mikasika ny tokony hampiasaina na hanaovan’ny

Card image cap
25-juil-2024

Mihazakazaka ny rivotra entin’ny fanatontoloana, hoy ny mpahaiolona momba ny fivavahana na «anthropologie religieuse»,

Card image cap