airtel

Finoana

19-mai-2023

Finoana

Fivondronamben’ny Eveka “Rendrika ny firenena, miharihary ny fahantrana lalina”

Sample post image

Ankoatra ny hafatra ara-panahy lehibe nataony, naneho ny fijeriny mikasika ny raharaham-pirenena ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika eto Madagasikara ny faran’ny herinandro lasa teo.

19-mai-2023

Tahaka ny efa nambaran’ny Kardinaly Désiré Tsarahazana tamin’ny hafatra paska, dia nahitsy ireto Eveka ireto nilaza fa tsy azo hodian-tsy hita ny zava-bitan’ny fitondrana, saingy miharihary tahaka ny tafika an-drefan-tanàna ihany koa ny faharendrehan’ny firenena ao anatin’ny fahantrana lalina. Karazana safosafo miaro felaka ihany satria nibahan-toerana kokoa ny fitanisana ireo zavatra tsy mety mila harenina izay fositra amin’ny fahapotehan’ny firenena tahaka izao. “Tsy azo odian-tsy hita ireo ezaka sy zava-bitan’izao fitondrana izao, raha tsy hiteny afa-tsy ny foto-drafitr’asa (sekoly, hopitaly, fandrakofana tara ny lalam-pirenena sasany, lalan-kely), ny fandraisana ireo mpampianatra FRAM ho mpiasam-panjakana, ny asa avotra mirindra sy asa tana-maro, ny fanomezana alalana ireo fikambanana sy vondrona misehatra amin’ny fampivoarana, ny fandriam-pahalemana amin’ny faritra sasany,... Eo andanin’izany anefa dia miharihary ny fahantrana lalina sy amin’ny lafiny maro izay mampikaikaika tokoa hatraiza hatraiza. Saika sehatra rehetra mihitsy no isehoan’ny fahantrana mahazo antsika, na ara-toe-karena izany na ara-piarahamonina na ara-pitondran-tena sy toe-tsaina, ny tontolo iainana,...”, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka. Potika ny kolontsaina sy soatoavina, eny hatramin’ny fihainoana ny feon’ny fieritreretana izay mirona tsikelikely amin’ny famonoana olona sy ny herisetra, ny fitsaram-bahoaka, ny kolikoly, ny fanariana ny zaza nateraka, ny halatra mason’ny varira sy taolam-paty, ny doro tanety sy ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, ny fidorohana zava-mahadomelina,... Nivadika ho kolontsaim-pahafatesana ny fandalàna ny hasin’ny aina. Lasa kolontsaina tsikelikely ny kolikoly sy ny tsy firaharahana ny lalàna ary tonga hatramin’ny tsy firaharahana ny hafa, ny tsy fifampihainoan’ny mpitondra sy ny vahoaka, na ny vahoaka samy vahoaka.
FAMPANANTENANA TSY TANTERAKA
« Manampy trotraka an’izany ireo fampanantenana maro izay tsy tanteraka ka mampiraviravy tanana ny vahoaka na mampanaonao foana azy. Miaka-bidy tsy miato sady haingana ny zavatra ilain’ny vahoaka andavanandro; mitaraina ny mpamboly sy ny mpiompy fa tsy misy mpiraharaha ny olany; mihalafo hatrany ny fampianaran-janaka ary mihagoragora ny fanabeazana; mitombo hatrany ireo very asa sy tsy an’asa; mihapotika ny lalana manerana an’i Madagasikara. Tsy ahitam-bahaolana maharitra ny fahasahiranan’ny vahoaka amin’ny jiro sy ny rano ary ny maro hafa », hoy hatrany ny Fivondronamben’ny Eveka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap