ka voafidy ho Filoha indray ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, evekan'i Morondava. Filoha lefitra kosa Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, evekan'Antsirabe ; Sekretera Jeneraly ny Mgr Rakotoarisoa Jean Claude, evekan'i Miarinarivo. Nisy ihany koa ny fanendrena vaovao koa teo amin'ny « Secrétariat administratif », raha ny vaovao voaray dia ny Mompera Faliarilala Thierry Pascal (adjoint teo aloha) no Secrétaire administratif, ary ny Mompera Rakotozafy Claude Rolland no Secrétaire administratif adjoint. Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny finoana, fa manana anjara toerana goavana amin’ny raharaham-pirenena ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka, izay matetika tsy misorona milaza ny zavatra tsy mety. Mizara ny hafaliana sy ny tebitebin'ny olombelona, ka adidiny ny mampianatra sy mikolokolo ary maniraka. Manana ny fomba fiasany ny Vaomiera araka ny fampianarana sosialin'ny Eglizy : Mijery-mandanjalanja-mikatroka-mankalaza ary manampy izay rehetra mikatsaka ny fahamarinana.Vao ny volana oktobra lasa teo ohatra ny Vaomieran’ny Eveka momba ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana na ny «Justice et Paix » no nilaza fa marary ny firenena, mikorosy fahana ny fiharian-karena, mitotongana ny fampianarana,…
Toky R