raha ny fampitàm-baovao voaray, ireo eveka avy amin’ny fivondronamben’ny evekan’i Madagasikara na CEM. Isan'ireo noraisiny tamin'izany ny filohan'ny CEM, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina. Andrasana, araka izany, ny akon’ny fihaonana teo amin’ny 2 tonta. Tombanana ho isan’ny votoatin’ny resaka ny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy eto Madagasikara, ankoatran’ny fiainan’ny eglizy Katolika sy ny anjara biriky tokony ho raisiny manoloana izay fiainam-pirenena izay. Eo ihany koa anefa ny olana misy miteraka ady ifandonana firenena samihafa eto amin’izao tontolo izao amin’izao fotoana izao. Tsiahivina moa fa teratany amerikanina ny Papa ary andrasana ihany koa ny heviny manoloana izao ady ifanandrinan’ny amerikanina sy israelianina amin’ny iranianina ankehitriny izao.
Nangonin’i J. Mirija