airtel

Finoana

19-oct-2026

FJKM

AMBODIFAHITRA MARTIORA

Sample post image

Hankalaza ny Fetin’ny taranaka

19-oct-2026

Hankalaza ny Fetin’ny taranaka ny fiangonana FJKM Ambodifahitra Martiora, Synodam-paritany Iarivo Avaradrano. Ny datin’ny Alahady 01 Novambra ho avy izao no hanatontosana izany, hiantsoana ny taranaka rehetra. Hanomboka amin’ny 9 ora maraina ny fotoam-pivavahana hiderana sy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, raha araka ny fanazavana azo. Hizara maro ny fotoam-pivavahana mandritra izany. Hisy ny fiarahabana ireo afa-panadinana ara-panjakana rehetra ka taranaky ny fiangonana toy ny CEPE, ny BEPC ary ny Bakalorea. Hisy koa rakitra hataon’ny isan-taranaka eny amin’ny alitara. Hisaina ireo taranaka tonga manatanteraka ny fanatitra ka hisy koa ny fakana sary hatao mari-pahatsiarovana. Raisina mialoha eo an-tokontanim-piangonana moa ny valopy. Nomarihin’ny tompon’andraikitra moa fa raha tsy afaka ny taranaka sasany amin’ io datin’ny Alahady 1 Novambra io dia afaka manatanteraka izany isaky ny Alahady mandritry ny volana Novambra ho avy izy ireo.
Pati
Legende : Ho fotoan-dehibe ho an’ny FJKM Ambodifahitra Maritiora !
 

Dans la même rubrique