airtel

Finoana

13-juil-2022

Finoana

FJKM Ambodifahitra Martiora Fotoan-dehibe « Andron’ny zohy » ny alahady izao

Sample post image

Miantso ny Kristiana sy zanaka am-pielezana avy ao amin’ny FJKM Ambodifahitra Martiora .Synodamparitany Iarivo Avaradrano mba hamonjy ny « ANDRON'NY ZOHY »

13-juil-2022

izay hotanterahina ny alahady 17 jolay 2022 ho avy izao ity Fiangonana ity. Hanomboka amin’ny 10 ora maraina ny fanompoam-pivavahana izay hatao eny amin'ny Zohy Ambodifahitra, araka ny fampahafantarana. « Hotohizantsika amin'io ny ezaka amin'ny fanamboarana ny Akany. Hisy fiarahana mandray ny Fanasan'ny Tompo. Hisy sakafo mafana amidy eny amin'ny ZOHY amin'io fotoana io. Aza adino àry ry taranak’ Ambodifahitra fa ny Andron'ny zohy dia hotanterahina amin'ny alahady 17 jolay ho avy izao », hoy hatrany ny fanamafiasana. Ho an’ireo mila fanazavana fanampiny, dia ny 033 07 022 82 no ahazoana ny tompon’andraikitra.
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap