tao amin'ny Synodam-paritany Afovoany Andrefana, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny foibe FJKM ny sabotsy teo. Nitarika ny fanompoam-pivavahana ny filoha synodaly vaovaon’ny SP01 na synodam-paritany voalohany, Randriarimalala Noelson Jean jaques. Nanao ny vavaka fangatahana, Andriamampianina Zo Nantenaina, mpitandrina, mpiandraikitra foibe FJKM. Razafindrabe Raymond, mpitandrina, mpanampy ny tonian'ny departemantan'ny fiangonana kosa no nitory teny nandritra ity fitokanana trano fiangonana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM Ambohimasina ziona vaovao ity ka ny teny ao amin’ny Baiboly ao amin'i Hagay 1:7-15 no nofidiany ho velabelarina tao anatin’izany ary nanasongadinany ny maha zava-dehibe sy maha maika ny fanorenana trano fiangonana na tempoly. Fifamatoran'ny vahoakan'Andriamanitra sy Andriamanitra ny fisian'ny tempoly, hoy ity mpitandrina ity. Efa-taona sy tapany lasa izay no nisian'ny Vondron'olona mpiara-mivavaka na VOMM tao amin'ity tanàna ity, hoy ny famintinana ny tantaran’ity fiangonana ity. Mpitandrina miisa 3 no efa nifandimby tao hatreto. Teo koa ny mpitandrina delege. Tsy mora ny zavatra natrehana fa maro no nanahirana kanefa ny zava-dehibe dia ny fahavitan'ny tranon'Andriamanitra tsara sy mendrika, hoy ny mpitandrina am-perin’asa. Nanotrona ity fotoana ity ny solombavambahoaka voafidy avy amin'ny distrika Arivonimamo. Eo koa ny avy amin'ny kaominina Ambohimasina sy ny manodidina ary ny solontenam-piangonana samihafa. Ny fanaovana tilikambo no ezaka manaraka, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija