airtel

Finoana

27-nov-2023

FJKM BETELA TANAMBAO V TOAMASINA

Misy disadisa eo amin’ny Biraom-piangonana sy ny mpitandrina…

Sample post image

Nohidian’ny biraom-piangonana ny fiangonana ny alin'ny sabotsy faha- 25 novambra 2023

27-nov-2023

tokony tamin'ny 7 ora alina ny FJKM Betela Tanambao V ao Toamasina. Noho ny ambaran'izy ireo ny tsy fahazakan'izy ireo intsony ny fitantanana ataon'ny Raiamandreny mpitantana ny fiangonana no antony. Mitaky ny fanesorana io Pastera io tsy hitandrina ao amin'ny FJKM BETELA Tanambao V izy ireo. Niaraka tamin’ny vadin-tany moa izy ireo nanao ny fanakatonana, ary niantso ihany koa ny foiben'ny FJKM hijery manokana izao zava-misy,… Andaniny, na teo aza ny fisian’io, nisy ihany koa ny serasera sy sary navoakan’ny Fiangonana tao amin’ny pejin-tseraserany, fa nilamina tsara ny fanompoam-pivavahana tao amin'ny FJKM Betela Tanambao V io omaly io. Mbola nisy ihany koa ny rindran-kira sy fampisehoana niarahana tamin’ny Antoko mpihira Lova Miampita sy Akon'i Betela ny tolakandro.
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Feno 190 taona amin’ity taona 2025 ity ny nahavitàna printy ny Baiboly voalohany

Card image cap