airtel

Finoana

03-mai-2022

Finoana

FJKM Imerinkasinina Fanasina Fotoan-dehibe ny alahady 08 mey izao

Sample post image

Fotoan-dehibe ho an’ny mpianakavin’ny Finoana ny any amin’ny FJKM Imerinkasinina Fanasina ny alahady 08 mey ho avy izao.

03-mai-2022

Fotoana hanasan’ny Fiangonana ny taranaky ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana, fotoan-dehibe eo amin'ny fiainan'ny Fiangonana satria amin’io fotoana io ihany koa no hanatanterahana ny voka-dehibe. Hisy fiara iombonana miainga eny Bel'air amin'io alahady io amin'ny 7 ora maraina. Misy sakafo atoandro iraisana any an-tanindrazana, araka ny fanazavana avy amin’ny mpikarakara. Ho ambohipihaonan’ny taranaka sy ny fiangonana manontolo noho izany io alahady io, ka hanentanan’ny FJKM Imerinkasinina Fanasina hatrany ny zanaka am-pielezana sy ny taranaka rehetra hifamotoana any an-toerana.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Ny mpijery faly sy nahatsiaro ho heniky ny fahasoavana, ireo antokom-pihira sy mpanakanto nanome ny tsara

Card image cap