Ho fanamarihana izany dia hisy ny hetsika goavana hotanterahiny amin’ny alahady 09 Aprily izao manomboka amin’ny 03 ora sy sasany ao am-piangonana ihany. Tafiditra ao anatin'ny fanamarihana ny faha-50 taona nijoroan’ny antoko mpihira ihany koa izany, antony nisafidianany ilay loha-hevitra hoe : hery iray izay nalaina tao amin’ny II Korintianina 12:9. Hizara roa miavaka tsara ny fandaharam-potoana mandritra izany. Ny tapany voalohany dia hadrenesana ireo hira paska voafantina noforonin’ny antoko mpihira toy ny hoe : Maty Jesosy… Ny tapany faharoa kosa dia hanandratan’ny orimbato ireo hira notsongaina avy tao amin’ny fihiranam-piangonana maro samihafa natokana hizarana ny herin’ny fitiavan’Andriamanitra izay mitondra fampihavanana sy fiainana ho an’ny rehetra. Anisan’izany ilay mitondra ny lohanteny hoe : zarao ny tantaran’ny vonjy ao anatin’ny fihirana Advantista…. Hira miisa 14 moa no hohirain’izy ireo mandritra izany izay tarihin’i Fabrice Razafimamonjy raha eo amin’ny zava-maneno kosa no ahitana an’i Tsiresy Rajaonarifetra. Tsy misy ny vidim-pidirana.
Pati
Legende : Ireo mpikambana ao amin’ny antokom-pihira Orimbato FJKM Tranovato Ambatonakanga
Tanterahina manomboka anio 21-24 septambra isaky ny amin’Ny 2ora tolakandro eto Antananarivo eny amin’ny